<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Madagasikara soa FF44</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Madagasikara soa
 Natolo-Janahary anay
 Nosimboahangy manirery
 Fa nahasoa ny razanay,
 He ! Sarobidy tsara loatra,
 Tsy sandana, tsy atakalo
 Feno ny fo ka toa mangina
 Heriny mivavaka hoe :

[C1]
   Andriamanitra ô !
   Tondrahy andon'ny lanitra
   Vontosy ny tsiron'ny tany
   I Madagasikara !

[V2]
 Ry Firenena Malagasy
 Antsoin'ny Nosy hianao
 Andeha malaky, mitsangàna
 Alao hery, mandrosoa !
 'Zay maha olona anao re
 Atolory, asorony
 Aza mandevina talenta
 Fa anondroty Firenena e !
 Andriamanitra ô ! sns...

[V3]
 Andriamanitra ambony,
 Fenoy ny fiahianao
 Ny mponina rehetra eto
 Ary izay asa mahasoa
 Ireo nantsoinao hitondra
 Mba tsidiho, mba tariho
 Ho sambatra tokoa ny Nosy
 Raha Hianao no azy e !
 Andriamanitra ô ! sns...</lyrics>
<hymn_number>44</hymn_number>
</song>